FAMINDRAM-PITANTANANA TEO ANIVON’NY FITALEAVANA MISAHANA NY RAFITRA FAMPITAM- BAOVAO NA DSI : FANAMAFISANA NY FITOHIZAN’NY ASA SY FANOMEZANA VOKATRA AZO TSAPAIN-TANANA
Notontosaina ny zoma 11 septambra 2026 tamin’ny fomba ôfisialy ny lanonana famindram-pitantanana teo anivon’ny Fitaleavana misahana ny Rafitra Fampitam-baovao (DSI), izay nanamarihana ny fifandimbiasam-pitantanana teo amin’ny Tale teo aloha, Andriamatoa RABARIVELO Tianamitandrina Sedera, sy ny Tale vaovao, Andriamatoa DERASOANDRIAMAHAFALY Jean de Bon
Nanatrika sy nitarika ny fotoana Ramatoa RAHETLAH Herilala, Tale Jeneraly, izay notronin’ireo Tale isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana na ny ARMP.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny tale teo aloha no namintiany ny asa vita teo anivon’ny fitaleavana. Anisan’izany ireo « outils informatiques » namboarina sy vita, toy ny fitantanana ny taratasy (gestion des courrier) sy ny fanatsarana ny tranokala ôfisialy (site officiel).
Notsipihin’i Tale vaovao nandritra ny fifamindrana ny fitohizan’ny asa aman-draharaha ka hita soritra ny fahavononany hanohy ireo ezaka efa natomboka ary nampanatena ny hitondra fiovana mifanaraka amin’ny vina ankapobeny eto anivon’ny tsenambaro-panjakana izy. Anisan'izany ny fitondrany ny anjarabirikiny amin’ny fampiasana fitaovana informatika ho fanoitra sy fametrahana ny « Intelligence décisionnelle au cœur des marchés publics» mba hanomezana vokatra mivaongana ho an’ny mpiantsehatra rehetra.
Namarana ny fandraisam-pitenenana sy ny lanonana I Ramatoa Tale Jeneralin’ ny ARMP, ka tamin’izany izy no nanantitra ny firarin-tsoa ho an’ny Tale teo aloha ary nitodika tamin’ny Tale vaovao, nirary soa azy ihany koa ary nampatsiahy ireo andraikitra vaovao noraisiny sy ny fametrahana ireo tanjona mila tratrarina, ary nampatsiahy ny rehetra fa safidin’ireo Tale vaovao ny fanendrena nisy ka mitaky vokatra avany amin’izy ireo izany fangatahana andraikitra izany.